HANADINO ANAO (Fidy Art Niaina)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny lasa niarahana lala a!Ny diary niaraha-nanoratra
Niteraka fery sy olatra
Dindona re manadala
Ny raozy niaraha-nikolo e!
Zaridaina niaraha-nanondraka
Indrisy fa maina daholo
Maina sy he efa lozotra
Ny lala-nizorana niaraka
Ny havoana niaraha-nitazana
Nangina toa haolo sy ngazana
Fa nilaozan'ny fo roa sinaraka
Matetika aho lala tomany
Rehefa mamaky ny boky
Mahatsiaro ireo dina sy toky
Dia toa te hiantso anao any
Indraindray ny foko honena
Mitsetra ka te hitaraina
Ry lala o! Mba miverena
Hikolo ity zaridaina
Ny lala-nizorana moa e!
Tozoiko irery eny sisa
Fa isika nisampana roa
Dia nankaiza ireo toky alin'isa?
Marary e ny foko ry aiko
Ny saiko tsy mety mino
Ny hamalona ireny tsy haiko
Fotsiny, hiezaka aho ny hanadino
Sambatra ianao mahay mamafa
Ny fiainako banga ; tsy ampy...
Hiezaka aho hanova hafa
Tanala aho ry lahy... very sampy!
Fidy Art Niaina - 29 Jona 2022 - 20:00
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Fidy Art NiainaNampiditra : Fidy Art Niaina
Daty : 26/02/2025 09:40
