ALAHELO - HASINIONY
Azo vakiana?
Ry alina ô, avia,
Faingàna ho aho 'zatsy izy; ento re ka ento
'Lay tory sarobidy hanony izato sento
Fa rava ilay fitia
Vaky fela-nenina ny eny moron-dalako
Onin-dranomaso manafotra Fanahy
Ny rivo-namboloiko, ny nofy nisambarako
Nanjary niova endrika, ka manepotra ahy
Ry alina ô, indrisy!
Mangidy sy mafaitra no atohoka ny vavako
Tsy hivaly ve, ry alina, ny ako tonom-bavako?
Mira ho tsy misy.
Ireo tsimoka taraina sy hetraky ny ankaso
Eto amoron-takariva, mampangasihasy irery
Mitobaka ao anaty, 'lay vaingan-dranomaso
Rakotra alahelo, nilaozany niery
Mafisa fo ry alina...
Any ho any mantsy, ambadika any ho any,
Misento toy izao, mijaly toy ny foko, nitia sy mitomany
Fanahy izay tsy fantatro, miisa an'alinalina !
Mombamomba
Mpanoratra : HASINIONY
Nampiditra : hasinionyDaty : 15/10/2012
Mpamangy : 2290
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
...?LALA AH! ETSY ANGE HO TANTARAIKO ZAVATRA...
Tsy tsiny hono...!
ny fitiavana ?
Fo vahy
Harodako
ny lasa...
Tenin'ny hafa
Tolona
Poety