You are here: home > Vetso

Anjara lahatra - havotraniaina

Azo vakiana?

Anjara lahatra.

Ny anjara sy ny lahatra,
dia avy amin'Andriamanitra,
tsy afaka ny handahatra,
ireo kitan'ny lanitra.

Ny anjara sy ny lahatra,
dia izay voatendrin'Andriamanitra,
miara-miasa hahasoa izay tia an'Andriamanitra,
ho an'ny olona monina ambanin'ny lanitra.

Ny anjara sy ny lahatra,
dia asan'Andriamanitra,
saro-patarina,tsy hita faritra,
ny tantaran'ny tany sy ny lanitra.

  Mpanoratra: LALAHARISON Havotra Niaina (21-Jolay-2022).