Halaviro ny fitiava-tena, (havotraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Halaviro ny fitiavan-tena,
Ny vola,ary koa ny harena,
Fa ireny no mampihenahena,
Mitondra fahalemena.

Hatraiza ny fahendrena,
Very hasina ny firenena,
Fa isika no miaina,
Samy tia tena.

Ny fitiavan-tena no mitoetra,
Tsy mahagaga raha manjoretra,
Tsy mba manana tarigetra,
Fa samy variana miletra.

Ny fitiavam-bola no manjaka,
Tsy mahagaga raha mahazo laka,
Fa mihevitra ho mpanjaka,
Izato toetra manjakazaka.

Koa mihevera ry manam-panahy,
Mihevera tsara izao,
Fa izao no teny ry rahalahy,
Aza adino ny maha mpirahalahy.

Koa,Hatraiza ny fihavanana,
Moa,tsy tanakavia sy avanana,
Izay manjo,iaraha-manana,
Na ory ianao,na manana.

Ny fahendrena raiso ho namana,
Ny firaisan-kina no enti-manana,
Ny fitiavana omena raha manana,
Ny Finoana ampio ho fananana.

(Mpanoratra:Havotra Niaina)
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
1097 1
Mpakafy: havotraniaina
Hevitra mandeha
havotraniaina ( 03/09/2022 17:51)

Halaviro ny fitiavan-tena,
Ny vola,ary koa ny harena,
Fa ireny no mampihenahena,
Mitondra fahalemena.

Hatraiza ny fahendrena,
Very hasina ny firenena,
Fa isika no miaina,
Samy tia tena.

Ny fitiavan-tena no mitoetra,
Tsy mahagaga raha manjoretra,
Tsy mba manana tarigetra,
Fa samy variana miletra.

Ny fitiavam-bola no manjaka,
Tsy mahagaga raha mahazo laka,
Fa mihevitra ho mpanjaka,
Izato toetra manjakazaka.

Koa mihevera ry manam-panahy,
Mihevera tsara izao,
Fa izao no teny ry rahalahy,
Aza hadino ny maha mpirahalahy.

Koa,Hatraiza ny fihavanana,
Moa,tsy tanakavia sy avanana,
Izay manjo,iaraha-manana,
Na ory ianao,na manana.

Ny fahendrena raiso ho namana,
Ny firaisan-kina no enti-manana,
Ny fitiavana omena raha manana,
Ny Finoana ampio ho fananana.

(Mpanoratra:Havotra Niaina)

Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115