Lehibe sy marina ny Andriamanitrao (havotraniaina)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lehibe sy marina ny Andriamanitrao,
Ilay namorona izao tontolo izao,
Andriamanitra Avo indrindra ny Tomponao,
Ilay mihazona izao rehetra izao.

Iza no tsy hatahotra amin'ny fahefana ananany,
fa ny hery rehetra dia eo an-tanany,
tsy ny Lanitra va no seza fiandrianany,
ary ny tany no fitoeran-tongony.

Andriamanitra fitiavana ny Tomponao,
nidina Izy nohon'ny fitiavany anao,
nokapohina Izy nohon'ny ditranao,
nafoiny ny Ainy ho fanavotana anao.

Ho anao mahare ka mila vonjy,
Jesoa Kristy velona no Mpamonjy,
Tsy tonga Izy hitsara, fa hamonjy,
izao tontolo izao no mila vonjy.

Nomeny ny Fanahiny,
nomeny mba hananatra,
hanazava sy hitsinjo,
ho anao izay voatsinjo.

koa raha ho avy Izy hamarana,
ny tantara no hofaranana,
iriny ianao ho voavonjy,
satria nandray ny Mpamonjy.


Mpanoratra: LALAHARISON Havotra Niaina.
--------
Rohy:
585 1
Mpakafy: havotraniaina
Hevitra mandeha
havotraniaina ( 20/09/2023 15:55)
Misaotra betsaka Mr Hery.
Mahatsiaro finaritra ny mihaino azy.
Mankasitraka ny vetso.serasera.org/tononkalo.
Mirary soa tompoko.
hery ( 20/09/2023 20:25)
Tsy misy fisaorana fa dia mirary hitombo talenta hatrany e
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143