Mangataka Fahendrena (havotraniaina)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mangataka "FAHENDRENA"


Ireo zavaboahary,
Nataon'ny Zanahary,
Isika no voatendry,
Hiasa sy hanendry.

Hitandrina hiasa,
Hanapaka hampiasa,
Isika no mandidy,
Nomena ny adidy.

Saina vatana fanahy,
Olombelona izany,
Ambony sady tsara,
Ambony fahalalana.

Miavaka isika,
Tsy toy ny zavaboahary,
Navahan'ny Mpahary,
Avy amin-janahary.

Masina ny adidy,
Nomen'ny Mpahary,
Mila fahendrena,
Mangata-pahendrena.




Mpanoratra: LALAHARISON Havotra Niaina
--------
Rohy:
248 2
Hevitra mandeha
havotraniaina ( 19/03/2023 14:17)
Mankasitraka an'i ikalamako niantsa. Misaotra anareo rehetra ihany koa, manana fandavantena be ianareo. Misaotra an'ny vetso.serasera.org
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.0673