You are here: home > Vetso

Mianara ry sakaiza,Miana - havotraniaina

Azo vakiana?

Mianara ry sakaiza,
Mianara mba ho soa,
Fantatrao fa n'aiza n'aiza,
Samy mila zava-tsoa.

    Soa lehibe tsy hita isa,
    No ho azonao raha mahay,
    Ka ny tsy mahay no sisa,
    Ory ka mangaihay.

Mihevera ry sakaiza,
Mihevera tsara izao,
Fa izao no andro mora,
Ndrao dia hanenenanao.

    Tsinjovy fa ny maro,
    Efa diso taona re!
    Koa indreo fa tafaharo,
    Ampanenenam-be.

Herim-po no isikio,
Fahalainana ario,
Fahendrena no vimbino,
Ilay Mpahary itokio.