Midoboka ny fo (havotraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Midoboka ny fo


Ny fidoboky ny fo izay mitempo,
...ao ny tsirim-pitiavana no misento.
Manainga ny hafanana avy ao anaty.
Ny afom-pitia tsy ho faty.


....manimanina irery ;
Varimbariana lasa saina ombieny.
Eny! miova na ny saina na ny fo ;
Satria, miaina toin'ny olon-droa.


Koa, ho anao zanako indrindra no hikaloko.
Tsy tiako ianao hijaly, fa tiako ianao ho namako.
Tiako ianao ho tsotra, tsotra sady marina.
Dia ho mpinamana isika, hiresahako ny marina.


Ny marina?.... indro fa hambarako anao :
Ny fianarana homba-tanjona, no lovam-pitiavana.
Ny ho avy hombam-pinoana, no fiainam-piadanana.
Ny tena hombam-pahadiovana, no fitia-pitokiana.
Ny fitiavana hombam-pahendrena, no fiainam-pandresena.


Misaotra anao aho zanako, nihaino izay nambarako.
Eny!....izay no anjarako.




Mpanoratra: LALAHARISON Havotra Niaina. (Febroary 2023).
--------
Rohy:
648 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101