You are here: home > Vetso

Ny fihatsarambelatsihy - havotraniaina

Azo vakiana?

Ny fihatsarambelatsihy,
misy fitampitaka satria,
ireo teny tsara ambadika,
no tetika tsara fandrika.

Ny fihatsarambelatsihy,
misy hafetsifetsena satria,
ireo hevitra entina ambakaina,
no tanjona hampiala maina.

Ny fihatsarambelatsihy,
manimba fihavanana satria,
mampisaraka mpifankatia,
no ateraky ny mpiriharia.

Mpanoratra: LALAHARISON Havotra Niaina.