Ny olombelona (havotraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny olombelona eto an-tany,
na avy aiza fihaviany,
na avy aiza izany heriny,
dia indro misy fefy,
manasaraka amin'ny ainy.

Tsy afa miala rehefa tonga,
fa ateliny tsy mihera,
na amoron-kady,na maitso volo,
misaraka amin'ny aina.

Dia indro fa mitady,
fa misy tsy hay resena,
manaloka, mandindona ny tena,
fa hisaraka amin'ny aina.

Mitady ny mahasoa,
hampifaly izany fo,
ho andry itokiana,
ho vahaolana amin'ny aina.

Tsy an-tery ,mijery avokoa,
mijery ny maharesy lahatra ihany koa,
kanefa ao Andriamanitra Ray Tsitoha,
ilay nanisy fofonaina mahavelona tokoa.

Mpanoratra:LALAHARISON Havotra Niaina. 11 Jolay 2022.
--------
Rohy:
464 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0162