Fanambarana Faminaniana (havotraniaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fanambaran'i JESOA KRISTY, izay nomen'Andriamanitra Azy,
mba hasehony amin'ny mpanompony, izay zavatra tsy maintsy ho tonga faingana,
ary naniraka ny anjeliny Izy hanambara amin'i Jôhany mpanompony,
hanambara ny tenin'Andriamanitra sy ny filazana an'i JESOA tompony.


Jôhany niankohoka hivavaka teo antogotr'ilay anjely,
tandremo, aza manao izao hoy ilay anjely, Andriamanitra ihany no ivavaho,
ary aza asiana tombo-kase ny tenin'ny faminaniana, fa antomotra ny andro.


JESOA naniraka ny anjeliny hanambara ny faminaniana,
fa Izy no Solofo sy taranak'i Davida,
dia ilay Zanak'ondry, eo afovoan'ny seza fiandrianana,
ilay vavolombelona marina sy lahimatoa amin'ny maty,
ka namaha antsika ho afaka amin'ny fahotantsika tamin'ny ràny.

Izy no eo an-tànana ankavan'Ilay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana,
Izy no eo afovoan'ny fanaovan-jiro volamena fito,
Izy no mitana kintana fito eo amin'ny tanany ankavanana,
ny kintana fito, dia ny anjelin'ny fiangonana fito,
ny fanaovan-jiro volamena fito, dia ny fiangonana fito,
Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana fito.


Indro Izy avy amin'ny rahona,
ary ny maso rehetra hahita Azy,
ary eo aminy ny famaliana,
mba hamaliany ny olona rehetra araka ny asany.

Izy no Alfa sy Omega, hoy ny Tompo Andriamanitra,
ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, dia ny Tsitoha,
Sambatra izay manasa ny akanjony, mba hananany fahefana amin'ny hazon'aina,
Sambatra izay manasa ny akanjony, mba hidirany amin'ny vavahady ho ao an-tanàna.


Ny Fanahy sy ny ampakarina manao hoe: Avia,
ary aoka izay mahare hanao hoe: Avia,
ary aoka ho avy izay mangetaheta,
ary izay mety, aoka izy hisotro maimaimpoana amin'ny ranon'aina,
eny, avy faingana Aho hoy ny Tompo Andriamanitra. Amena.
--------
Rohy:
478 1
Mpakafy: havotraniaina
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114