You are here: home > Vetso

Vantanina ny resaka - havotraniaina

Azo vakiana?

      Vantanina ny resaka.

Aoka ho vantanina ny resaka,
ny fari-piainana no tari-dresaka,
ny olombelona mifanaretsaka,
no ahitana ny votoatin-dresaka.

Aoka ho vantanina ny resaka,
ho an'ny olona mahantra,
ireny no mila mivoatra,
ho vonona ho tsara voatra.

Aoka ho vantanina ny resaka,
ho an'ny olona lavitrezaka,
tsy hitarain-tana-miepaka,
handroso tsy ho reraka.

Aoka ho vantanina ny resaka,
ho an'ny olona manan-karena,
ilaina ny manetry tena,
hanampy ny mahonena.

Aoka ho vantanina ny resaka,
raha ny olona eto an-tany,
no mifampitsinjo mizara mamy,
ho paradisa ny tany.

Mpanoratra: LALAHARISON Havotra Niaina.