Lavitry ny tiana (Herilanja RANDRIAMANGA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Toa matromatroka no tsy aki-teniteny
Ary hanala satroka sy hitazana eny ho eny
Toa maizina ny tontolo raha ianao no tsy eto
Ary alaiko an-tsokosoko ilay sarinao r’efa misento

Fa toa sentosento lava fa manjombona ao anaty
Toa ranomaso lava toy ny orana mifafy
Zary manirery nefa roa no iray
Ka mahatsiaro very sy mangahiahy

Fa ny tiana no tsy tazana dia ny aina no mihavizana
Koa ny orana ve no midona dia izy no andeha hosoloina
Tsia, tsy ‘zany mihitsy akory fa izaho no tsy te-hatory
Dia mimonimonina fa tsisy mampionina

Toa malomaloka alahelo ary toa mamelovelo
F’ilay faniriana mba ho olon-tiana no lavitr’ity fo ‘zay velom-paniriana
Dia mahatsiaro azy foana sady sasa-miandry
Tsy mahatsiaro noana nefa tsy tafandry

Toa maizina daholo izay rehetra tazana
Mahatsiaro bobongolo sady mihidy vazana
Dia mahatsiaro irery ary toa mahatsiaro very
Koa lasa ny vinany miampita any ho any

Dia manembona tsy tana zary fitomaniana
Toa miaina fahantrana ary fijaliana
Ka indro fa te-hoany hoany nefa aiza ‘zany
Ianao ry tiako no tsy tazako dia tsy hitako ny lalako

Koa miverena vetivety f’ity foko efa resy
Mba hamerenana indray ilay fiarahana hatr’izay
--------
Rohy:
Sokajy : Embona - Alahelo
115 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Herilanja RANDRIAMANGA
Nampiditra : Hianja
Daty : 31/01/2025 09:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0933