Nenina (Herilanja RANDRIAMANGA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Folo taona sahady izayIlay fotoana nisarahanay
Voninandro toy izao
Iay ianao lasa nandao
Lasa mantsy ianao fa tsy tamana
Izaho rahateo moa tsy nitana
Fa mbola zazasaina
Mbola bandy tsy nisaina
Fa noentin'ity foko feno hatezerana
Sady izay koa moa izaho nahita iray niserana,
Dia ny hanadino ihany
Fa izaho nga no tsy efa tany,
Ary namoaka teny mafy, teny tsy noheverina
Ka lasa ianao nandeha, lasa tsy niverina...
Fa topimaso indray nijery
No nanokatra indray ilay fery
Ilay fery nohadinoina
No indro indray tsaroina
Fa kanto anie ianao e! Sady manjakely,
Fa vaky ve ny lanitra, fa ity toa misy anjely
Izato hatsarana, anjely nandiha tany,
Fa vao nihanatra nitia dia baboko avy hatrany,
Dia ianao ilay tena tia
Ilay nitandro ity fitia...
Izany ny taloha,
Izay tsiaron'ity fo,
Ary mikiky ny ao anaty
Izay ilay hoe akeoko Maty.
Lasa ianao ilay zazazaza,
Fa izao ianao efa renin-jaza,
Saingy tsy mba renin-janako
Fa renin-janak'ilay namako,
Namako!!! Tsy fantatro...
Fa nahasambatra ilay malalako,
Nefa izaho tsy saro-piaro
Fa juste hoe mahatsiaro,
Mahatsiaro ny taloha
Izay tiako mbola hifoha,
Ary tena tiako haverina
F'izaho mantsy anie manenina,
Namela anao handeha
Saingy efa tara- be...
Koa aleoko mionona mangina
Mitsiriritra anao ry tiana,
Fa ilay bikanao madama,
No mbola mampihanahana,
Saingy nofy sisa mantsy
Fa izaho no tsy mahatanty...
Fa raha mbola haverina indray ireny
Dia mino aho fa tsy toy ireny,
Ny hofizotry ny tantara,
Fa efa haiko tsara,
Ny tsy hamela anao handeha
Fa ity fitiavako anie
Hotanisaiko anao indray
Mba tsy hisy intsony ny ahiahy,
Fa mbola tia anao aho no tena marina
Ka zara ary aho tafarina
Nefa indrisy fa dia tsisy, tsisy intsony azo hatao
Afa-tsy ny mitso-drano anao
Dia ny mamela anao handeha indray,
Hodoria mandrakizay °/.
--------
Rohy: