Raha nisy (Herilanja RANDRIAMANGA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha nisy ny fitia izay novolenao tao,
Lazainao fa nitsiry nefa nilaozanao tany
Dia tsy mampaninona fa ongoty tsy ho ao,
Avelao fotsiny aho, dia hoento ny anao hoany.

Raha nisy teny mamy noventsoina ihany koa
Noentina hambabona ka hitia tsy hanontany,
Dia ataovy toy tsy nisy fa efa niova fo
Boky novakina mitovy daholo ihany

Raha nisy ny fotoana mety hoe nahasambatra,
Ny maraina, ny hariva, na ny alina ary izany
Ireny rehetra ireny anie raha toa ka natambatra,
Dia fotoana very maina, tsy nisy dikany eny ihany.

Raha nisy fo nitempo nahatsiahy irony lasa,
Niaina tao anatin’ny mangidy sy ny mamy,
Toy ny nofy nokasainy fa saingy tsy kinasa,
Rediredy sy adalana ihany izany rehetra izany.
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
76 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Herilanja RANDRIAMANGA
Nampiditra : Hianja
Daty : 31/01/2025 08:46
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0142