Tahak'izay (Herilanja RANDRIAMANGA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tahak'izay aho tsy nijery,
Tsy nibanjina ny masonao,
F'izao aho mantsy dia voatery
Hanadino tsotra izao…

Tahak'izay aho tsy namaly,
Rehefa enao miantso ahy,
Fa dia tsapako mampijaly
Rehefa injay aho mahatsiahy…

Tahak'izay aho tsy nitia,
Fony ianao ilay nanadala,
F'izao ity foko kely ity,
Dia voatery hankahala..

Tahak'izay aho tsy niventso
Ny anaranao akory,
Fa tsy mitsahatra misento,
Sady tsy mahita tory…

Tahak'izay aho zaho irery,
Izaho irery foana foana,
Amin'izay aho tsy manirery,
Mirana mandava-taona.
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo
231 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0115