T S Y T O N G A... (hjravs)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY TONGA...????

Zoma faran'ny volana dia nandeha mba haka vola; Oadray, fa toa mbola "tsy tonga" ny karama! Ry BOA ve no malama, sa 'zalahy ao am-piasana no tsy miasa ara-dalàna?! Dia teo "tsy tonga" saina: 'lay revy nantenaina, aloha, tsy maintsy hoe mangaina fa 'lay mody maina no tena mampalaina. Ny hira koa injany toa manadrohadro hatrany, f'injao Ratsimbazafy minananana mafy "kanefa ianao "tsy tongaaa" fa nataonao somongaaa, nataonao kilalao... kanefa hatramin'izao... "Tsy tonga" koa ny anao??! Tsy ny fadimbolana, angamba kay no olana, fa 'lay voambolana "tsy tonga" ity, mihintsy, no tokony esorina ao anaty rakibolana, dia milamina ny an-dry. Fa mandram-piandry izay ho ataon'ny Akademia amin'ty "tsy tonga" 'ty, dia 'ndehana mak'ery amin'i Bebe Ramaria ery Ambaniatsimo ery, fa malaza izy io ety raha hamahana tambavy an'ireo kilonga vavy; ka na ho tamy io na tsy hoavy dia amin'ny an-dRafavoria "tsy maninn ts maninn"!

_________Hj Raveloson_
--------
Rohy:
113 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155