SALEGY MITOMANY (hjravs)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
S A L E G Y M I T O M A N Y
Raha tsy nipoitra intsony tany amin'izay nilentehany moa izany ilay mpanjakan'ny hazavana,
dia mbola azo lazaina ho andro ve ny alina tsy misy fiafarana?
Soa ihany
fa injany,
mifamaly, any ho any
ny kôkôrriikon'ny akoholahy
manambara, mampatsiahy,
indray ny fiaviany,
dia iny eny izy iny;
atsikin'ny hafaliany,
nivimbina maraina,
voandalana ankafizin'reo zava-mananaina,
ka indro notsenainy;
indreo izy nivoaka tany amin'ny nisitrihany avy
mba hisitraka azy.
Zary feno fivezivezena;
antsoantso; fitabatabana;
'lay lalana teo lasa tsena,
nikorotana be 'lay tanàna
nisonanina tam-pilaminana
sy nihanoka ny fahanginana
ora vitsy talohan'izao.
Fa ho an'i Alima, kosa, ao an-tokatranony ao,
no izao tontolo izao-ny
satria ao i Soa sy i Naivokely, 'lay antom-pahavelomany;
anton'ny fisiany.
antony itolomany;
antony ihafiany.
- Neny a! Milalao maloto 'nge i Soa e!
- Mba ambeno ao izy aloha,
f'zah mbola mamita
ireto sasa-lambantsika
-Neny a!
- Inona ihany 'zao e!
- Io i Mose Jao
- Manao ahoana ianao Madama!
- Salama!
- Nirahan'i Nahofa aho haka izany ordi zany
fa tsy hotafody hono izy androany.
- Hay! Tsy hotafody indray!
- Ie, be asa be 'zahay!
- De ireto mba omeo azy
ny faktioran-jiro sy Karatra ekôlazy
fa voaroaka hoe i Naivo.
Io ny ordi-nao alaivo.
......
- Ohatry ny mijaly be ny vadin'ty ao a!
- Io, indray ialahy, R'i Jao!
- Kózy izany fa oay le aza a!
Nilaozako ao izy 'zao mbola manolo zaza;
Mbola manasa lamba: dia manao koa lakozia...
Ialahy, anefa, ity:
milaza hoe be asa, mbola mitady vola,
nefa mihodina, midola, mandany ny karama,
mampirevy 'reo madama;
manapoaka ketsa iray
mba hanofana efitrano sy hirevena be milay.
Ny azy any anefa izay,
ron'ananana tsy telina raha tsy arahana sakay...
Ô l'ty ry Zandry a! 'ndana, lesy, mody e!
Io revy 'nge manody e!
Kôzio hoe miana-kendry zah, na bandy be môraly
fa na tsy faly ialahy na faly,
io ditra io mivaly.
Ny hoe andefomandry,
ange lesy ry zandry,
tsy sanatria sôlafa e!
Ho mpanasa sy mpamafa ny gôb's sy amanin'
ialahy 'lay mamo avy any.
Fa ny hoe andefomandry
dia lay toky sady andry:
mifampiheno,
mifameno
dia mifampizara
na amin'ny ratsy na amin'ny tsara,
'lay mifanolo-tanana
any anaty fahasahiranana....
Fa izy io raha toa
hoe bebe saron-doha
na misimisy panda
dia noho ny sasa-lamba
mba hikatàn'ialahy;
noho ny soron'afo
f'ialahy io avy aty dia hamantana sakafo...
Fa izy io taloha
mba manjakely koa;
mba be mpitsiriritra,
nefa izy tsy naditra
fa nandala ny abidian'
ny hoe vady tena tia.
Ka sao dia ho tafahoatra
iity revy adala ity;
sao dia ho tara loatra
ka dieny izao modia,
sao ny latsa sanatria
no hitondra nenina handihy
eo afovoan'ny tokotanin'
ialahy indray andro any!!!
Nivarahontsana kely i Nahofa fa vitan'ny akama adirima
ny fiainana hiainan'i Alima!
Nanapa-kevitra hody avy hatrany
izy androany...
Kinanjo iny nipoitra avy any
i Alice feno tsiky
arantin-jipo fohy manify
sy asongadin'ny hamanjany.
Oay! Vody, lesy, 'zany!
Hoy ny teny ireriny nentaniny filàny...
Dia adinony hatreo
'lay fikasany hody teo.
.....
- Mba ilazao
vaovao,
sy 'zay tena zavamisy
ny akama RaMetisy a!
Hoy i 'Ngahy Jean Jaques,
io 'lay tsy mahazaka
ditraditram-bady,
ka io nanakarama mpikarama an'ady ,
sady mpitsikilo
kinga sy matsilo....
Nisy tary iray vahiny
mbola vao noahiahiany
ho manodikodina an'i Alice,
izy tsy nitsitsy
fa nasainy
novitain'
ilay Serzà Metisy...
-(hitohy)
____hjravs-
--------
Rohy:
103 1
Mpakafy: Lyand2345
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4106