Ô LEHITY, RY DONTO A!!! (hjravs)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ô, LEHITY, RY DONTO A!
Mba nosainin'ialahy moa ry Donto,
f'ireo fikafika maloto
no namotehan'ialahy ny fitiavany...
Raha ny ompa nivoaka ny vavany
no nitondra amin'ny mandrakizay:
Efa vovoka ialahy tahak'izay!

Moa noheverin'ialahy ry Sanàna
fa ny rafiny eran'ny tanàna
no nandatsan'ny fianankaviany,
raha niangavy izy ny mba hodiany,
raha ny ozona, aloha, no nandripaka
ialahy no voalohany nitsipaka!

Tsy mahafaty ny ompa sy ozona,
Tsy holaniany amin'ialahy koa ny poizina,
raha fitia tsy ho alainy amin'ny odiny
fa aminy io misy todiny:
mandre ve ialahy sa marenina e!
f'ialahy dia ho akaman'ny Nenina!
hjravs
--------
Rohy:
1493 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098