...AMIN'NY TEBOKA FARANY./. (hjravs)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
...AMIN'NY TEBOKA FARANY./.
Tsy misy rafitra mamaritra,
ka hamefy sy handrara
ny asa soratra atao,
fa rahefa mahafinaritra
ary hitako fa tsara
dia zaraiko tsotr'izao.

Angamba ilaina ny tsikera
raha natao mba hanitsiana,
fa mety hampivoatra izany,
saingy raha ho poerapoera
sy entina mba hanindriana
dia ampirimo ihany ho any!

Raha misy mari-piatoana
diso toerana, na tsy haiko,
na tsy manaraka lalàna,
dia tsipiho 'lay hadisoana,
ny tsikeranao ilaiko
horaisiko amim-panajàna!

Ny tahak'izany aho ahitsio;
fa raha tsy sitrakao mpamaky
ny hafatra soratako ao:
Ny pejinao no avadiho,
f'aleo ny soratro tsy hitaky,
kiana na tsikeranao!!!

Aleo ny peniko hanoratra
na angano io, na tantara,
tononkalo, poezia...
na koa sombin-dahatsoratra,
ho ankafizinao fa tsara
matoa ianao tonga hatraty...(ny lohateny no vakiana farany)
hjravs
--------
Rohy:
1282 2
Mpakafy: hery - DotMG
Hevitra mandeha
DotMG ( 14/06/2016 17:07)
Tsara kokoa hono rehefa mampiady rima raha mba ry zalahy tsy iray fianakaviana no andeha hampiadiana.
:D
hjravs ( 14/06/2016 17:18)
Misaotra amin'ny torohevitra fa misy hotsakotsakoina
DotMG ( 14/06/2016 17:28)
Hihihi, ilay fomba nitondrana an'ilay tononkalo dia nanosika ahy mafy hikaroka hoe inona azo no azoko hanakianana an'ity fa te hi-"taquine" mafy aho mamaky azy. Dia tany akaikin'ny teboka farany vao nahita hirika kely. Ankafizinay foana fa tsara e!
hjravs ( 14/06/2016 17:43)
Tena marina 'nge le izy e! Mankasitraka e!
arofanina ( 16/06/2016 08:03)
Nozaraiko tao @ vondrona facebook ONJAONJAM-PITIA TONONKALO fa tena tsara e! sady mifono fahamarinana
hery ( 16/06/2016 09:24)
Tiako ihany koa.
Ny hevitra matetika dia aingam-panahy ka tsy misy hahitsy fa ny tsipelina sy ny fanabeazambohon-teny no mila ahitsy raha misy
hjravs ( 16/06/2016 16:44)
mankasitraka @ fanehoan-kevitra, sady ireo namana mpanoratra anisan'ny ankafiziko ato, mihitsy 'reo a!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143