AZA TOMANY INTSONY!! - hjravs
Azo vakiana?
Aza tomany intsony!
aok'izay ny sentosento
ny ranomaso ajanony
fandalovana ny eto,
dia meteza mba mitony
fa tsy vao ianao
no tojo tahak'izao:
efa nisy reny iray
'zay namoy ny sombiniany
nijafajafan'ny tomany,
ory sy nangahiahy,
fa 'lay tiany sy lalainy,
dia ilay tokana sy hany
tokiny rahatr'izay
zanaka mba nandrandrainy,
tsy ho hita intsony eto antany.
Fa tanaty torimaso lalina,
no nanofisany indray alina:
indro misy zazakely
eny an-trotroan'ny anjely,
falifaly ery miteny
Aza tomany 'ntsony i Neny"!
dia nisinda ny alahelony, ny sentonsento koa nitony,
ary nionona ny fony!!
Efa nisy koa izany,
nilaozan-tiana tsy tomany,
satria ninoany ilay malalany
fa hitsimbina ny lalany,
hiambina azy sy hitahy,
mandram-pihaonan'izy ireo any an-tanin'ny fanahy.
Koa mba tahafo izay inoany,
Ny alahelonao onony,
ary aza mitomany intsony!!!
Hj Ravs
Hevitra mandeha
andry 1000 (01/04/2015 07:46:36)
misaotra fa hitako hoe namaly ilay tononkaloko hoe LASA I BAVY KELY, sy ILAY RAMATOA ity tononkalonao ity!! henjana nareo e!
hjravs (01/04/2015 07:53:57)
mba miezaka e! ilaina ihany ny teny fampaherezana indraindray...
Mombamomba
Mpanoratra : hjravs
Nampiditra : hjravs
Daty : 18/03/2015
Mpamangy : 1404
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
RESAKA MISY VOLOMBAVAA F A P O T O R Y
AMIN'ILAY MISY, Sa AMIN'ILAY TSISY...
FITORIANA
LOKO TOKANA
14 febroary
KILASIMANDRY
TRANGAM-PIAINANA
Tantara
ALEOKO