FITIAVANA, FAHAFAHANA (hjravs)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIAVANA, FAHAFAHANA

Ny manoratra ny soratra izay tian-kosorotana
fahafahana ihany,
fa ny soratra voasoratra fa tokony hosoratana
fitiavana izany!

Ny tia maniry mba hotian'ilay olona tiaviny
fitiavana ihany,
fa ny tiana avela hitia izay olona tiaviny,
Fahafahana izany!

Hj Ravs (kanto arindra tak. 65)
--------
Rohy:
1219 3
Hevitra mandeha
andry 1000 ( 16/04/2015 04:34)
fa ny soratra mitoetra a! ny teny mandalo
hjravs ( 22/04/2015 09:06)
Raha toa ka tsy vonona
ny hizara izay lafatra
aza maika ny hitonona
hoe mpampita hafatra
DotMG ( 13/05/2015 11:05)
Fa misy ny olon'afaka, tsy tia ny fahafahany mitia izay tiany ho tiavina,
Dia misy koa ny tia, tsy afaka mitia izay endri-pahafahany, fa satriny holavina.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0614