HARENA MIAFINA - hjravs
Azo vakiana?
HARENA MIAFINA
Nolazainy ahy mazàna,
fa fara-fahantrana
ny tsy fananana vola.
Toa tsy misy vidiny,
satria farahidiny
tsy mba afa-midola.
Dia novaliako,
hoe: "tapaho f'hovidiako
ny tongotrao an-kavia".
fa izy tsy sahy;
mbola satriny angaha
ny hamindra sy handihy.
Hay ny tongony ekeny
ho zava-tsoa, sarobidy
ka tsy azony amidy.
Fa ny sainy tereny
hanaiky ho voadidin'
ny "vola tsy hangidy"!
Andeha, retsy, isika mba hiara-hidola,
fa manan-tongotra isika, na tsy misy vola!
hjravs
Mombamomba
Mpanoratra : hjravs
Nampiditra : hjravs
Daty : 17/06/2016
Mpamangy : 936
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
A F A P O T O R YAMIN'ILAY MISY, Sa AMIN'ILAY TSISY...
FITORIANA
LOKO TOKANA
14 febroary
KILASIMANDRY
TRANGAM-PIAINANA
Tantara
ALEOKO
5/5