ILAY FAMONJENA - hjravs
Azo vakiana?
ILAY FAMONJENA
Somebika, mirana,
faly sahirana
ery 'reto ankizy
revo izay ts'izy
amin'ireo kilalao
sy ravaka vao
tamin'Ingahibenoely;
f'ialahy, kosa, ry Bainina kely
adinony, angamba,
fa na kiraro na lamba,
kilalao sy ny sisa...
tsy nahazo ka io mitomany an-tanisa
iretsy an-kilonga.
Izy, letsy, tsy tonga
taty amintsika
f'angamba izy iny mpanao pĂ´litika,
dia hain'ialahy ihany...
F'aok'izay ny tomany,
ary aza manahy
fa hoentiko ialahy;
andeha isika hizaha
tranon'omby any an-tsaha...
Satria toa tsy mendrika
raha toa ka endrika
isehosehoana
sy izahozahoana
no hiderana
sy ankalazana
ity andro ity,
f'ireny, lehity,
dia sera sy bizina,
ka ny entan-tsinoa hanjary vola mihizina,
fa ny ory hitakizina...
Nefa, ange, ny rehetra
tsy ilana fepetra
tsy anavahana antoko,
na loko na foko,
na deba na mpiasa tsy misy amboniana
fa nampitoviana:
Mahazo sy afaka ny manantena
ilay famonjena
izay teraka anio...
ka, etsy, hobio
f'aza mangasihasy...
ny kirisimasy,
ry Bainina kely,
tsy akory voatery, mila Ngahibenoely!
hjravs
Mombamomba
Mpanoratra : hjravs
Nampiditra : hjravs
Daty : 24/12/2015
Mpamangy : 1351
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
RESAKA MISY VOLOMBAVAA F A P O T O R Y
AMIN'ILAY MISY, Sa AMIN'ILAY TSISY...
FITORIANA
LOKO TOKANA
14 febroary
KILASIMANDRY
TRANGAM-PIAINANA
Tantara
ALEOKO