"IZAY TSY NANOTA..." (hjravs)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZAY TSY NANOTA...

Vao nivelatra namony
'lay fitia izay nokoloiny
dia tsy voafehiny intsony
hany ka nanadinoany
ny segondra sy minitran'ny
fahatsiarovan-tena,
tsy nosaininy ho ditra
ilay fitia nifanekena
nefa nivaingana ho kitra
tsy maintsy ho avy hobabena.

Fa nisitahan'ilay tiany,
tokana hany nitokiany
ireo tokim-boadiny fahiny
sy 'ty vohoka 'zay tsy niriany.
Mandatsa azy ankehitriny
'lay tsiro feno hamamian'
ny efitrano sy fandriany
iny indray alina iny.

Fa ny havany nisintaka
ny sakaiza nanakora,
ny fahavalony nibitaka
ny mpiara-mivavaka nandrora,
marivo, hono, ka voafitaky
ny fetsy sy fatsora.
Ôh! ngoly sy nangitakitaka
'ty fo sy nofony tanora.

Fa hitako izy aninkeheo,
teo amoron-drano teo
nitalaho tamim-peo
mangovitra sy mitoreo:
"Tompo ô! mba vonjeo
ny fanahiko ho eo
anilanao fa efa leon'
ny tantara izay niseho!"

Dia boiboikan-drano sisa
no marika hany namatarana,
fa izy lasa nikorisa
hikaroka ny varavaran'
'ilay antsoiny ho paradisa,
hany misy fahasambarana,
nampitombo indray ny salan'isan'
'ireo mpijirim-pitsaharana.

Dia hotorahana hatrany
ve, izay rehetra diso ety,
sa 'zany indrafo izany,
tsy mendrika ireo mania?
Moa ny fahamasinana eto an-tany
mampihen-danja ny fitia?!
Raha izany, any aoriana any,
hiverina eto ny olon-dia!!

Hj Ravs (Kanto arindra tak.15, 16)
--------
Rohy:
1565 1
Mpakafy: andry 1000
Hevitra mandeha
andry 1000 ( 04/04/2015 06:00)
aiza no ahitana an'ilay boky hoe : KANTO ARINDRA e !!! tena tsara fa tohizo e! mahay nareo
hjravs ( 04/04/2015 09:14)
Rah eto Tanà ianao dia eny @ 'reo fivarotam-boky telo lehibe ianao mahita io boky io, misaotra amin'ny fankafizana e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015