You are here: home > Vetso

KANTO ARINDRA - hjravs

Azo vakiana?

KANTO ARINDRA
Ny rivotra malefak'ilay literatiora
nitsoka moramora,
nandretsika hampidola 'lay sombin-tahon-kanto
hirindra sy hilanto.

Ny gadona amin'ny felany, ny rima eny amin'ny voniny
rahefa norontsoniny;
dia verovero manitra, mahalasalasam-borona
no aserany any an'orona.

Nanaitra ny fanahy sy ny aingan'ny mpamorona,
nezahany nosamborina;
nanjary tononkalo sy hafatra, voafaritra
ho kanto mahafinaritra!
hjravs(kanto arindra tak. 18)