KOPA-TANANA - hjravs
Azo vakiana?
HOFA-TANANA
'Reo orokoroka fanaony,
'njao mbola mandry imolotrao,
ny tratranao 'zay filalaony
mbola mangoritsina ao,
miretsidretsika any ho any,
mandrezatra "Aza manadino",
fa izy lasana androany,
no mafimafy tsy mampino.
Angamba tsy azy aloha ny tsiny
f'izy efa fantatrao
fa mpihavy nivahiny,
Ny vahiny dia mandao:
fa any ho any ny ankaniny,
any ihany no fodiany;
tiany ianao, nefa, ny taniny
no seranam-pitodiany!
Hofa-lamba ankodimirana,
no sisa azony napetraka,
ianao hamaly no sahirana
f'izy vahiny mihetraketraka
Hofa-tanana ho fiantsoana
no azonao navaly izany,
tsy tana izy ka "Veloma"
no tsy maintsy nihafarany!
Hj Ravs
Sokajy :
Fisarahana, Fitiavana
Mombamomba
Mpanoratra : hjravs
Nampiditra : hjravs
Daty : 21/03/2015
Mpamangy : 972
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
RESAKA MISY VOLOMBAVAA F A P O T O R Y
AMIN'ILAY MISY, Sa AMIN'ILAY TSISY...
FITORIANA
LOKO TOKANA
14 febroary
KILASIMANDRY
TRANGAM-PIAINANA
Tantara
ALEOKO