You are here: home > Vetso

LELA, ho'a, VAO TANANA - hjravs

Azo vakiana?

LELA, ho'a, VAO TANANA

            Eny ho eny;
            any ho any
misy zara roa tsy mira, mitady tanana hanamarina ;
misy mizana tsindrian'ila, miandry tanana hanarina.
           Saingy ireny
           ho any hatrany.
Satria voatefy mba hivilana ny lelan'antsy fizarana;
Satria voarefy hitongilana ny ilan-delan'ny mizana.

      ...ie, ny "tanana mahitsy", tsy lavina, azo ampiasaina.
     Fa ny "lela marina", mihitsy,  no aleo tadiavina f'ilaina.

            hjravs