You are here: home > Vetso

MIPETRAHA TSARA - hjravs

Azo vakiana?

                MIPETRAHA TSARA

I Madagasikara tanin'i Malagasy
ary foin'i Ray honenany
tsy hotsindrian'ialahy amin'ny poti-taratasy
ny lalam-panorenany!

F'angaha raha misy hetsika na savorovoro
any Amerika any
dia manan-jo ny Gasy hiteny sy hanoro
na hitsabaka amin'izany!!

Mitomoera soa dia mipetraha tsara
fa vahiny ialahy aty,
Aleo ny samy Gasy handamina an'i Gasikara
fa tsy i Etazonia!

             Tsimbazaza 30/05/2015 (10:39:58)

Hevitra mandeha

andry 1000 (30/05/2015 09:21:51)

hihihi!!! tena mamp'me be koa ty tononkalo iray ity misy fahamarinany mihintsy fa soloina frantsay le etats-unis no tena mety amin'io

hjravs (30/05/2015 09:24:50)

Tena rehefa vahiny mitsabatsabaka amin'ny raharahan-tokantron'olona mihitsy dia aleo atao hoe: Mipetraha tsara!

andry 1000 (30/05/2015 09:26:37)

le frantsay no fototr'izao e!

endrika01 (02/06/2015 10:18:29)

ataovy amin'ny teny Anglais de amzay kopy zareo é!
tsara lay ventso!

z'andrygasy (12/06/2015 16:58:44)

Tohizo nefa kendreo tsara ny lohateny .ampifandraiso tsara ny rima sy ny hevitra hifandray. Aza maika hahavita.

hjravs (18/06/2015 03:47:25)

Misaotra amin'ny torohevitra e!