MODIA LESY E! (hjravs)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MODIA LESY E!

Oay le aza a!
Izy any 'zao mbola mamahan-jaza,
manadio trano dia manano lakozia,
ialahy anefa aty
mba heverina ho mikandra sy mitady vola
ilaozan'ilahy midola
mingitrika tsy miasa sy mandany ny karama
manenjika madama,
manapoaka ketsa iray
hanofana efitrano sy hirevena be milay,
Ny azy any anefa izay,
ron'anana tsy telina raha tsy arahana sakay,
Ô! lety ry zandry a! 'ndehana lesy mody e!
io 'nge ho'a manody e!
'zah tsy hoe miana-kendry fa mba manome moraly
na tsy faly ialahy na faly,
io ditra io mivaly!!
Izy iny ange matoa
bebe saron-doha
sy fenofeno panda
dia noho ny sasa-lamba
mba hikatàn'ialahy, noho ny soron'afo,
f'ialahy 'zao avy aty tsy maintsy misakafo
ny hoe andefimandry
ange lesy ry zandry,
tsy sanatria solafa e!
'ndehana elà mifafa
dia vonjeo ny tokatrano!
Tandremo 'ndray sao mamo,
mba meteza ho'a tenenina
fa aza be marenina
sao dia holatsain'ny nenina!!

Hj Ravs
--------
Rohy:
Sokajy : Namana - Fitiavana
1124 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014