MODY MASOANDRO (hjravs)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MODY MASOANDRO

Tomefy mavo mena
Mivolom-bolamena,
iny am-parantazana iny

Ny moron-danitra nanjary,
movolom-boasary,
tarafin'ny fodiany.

Mibohaka eny koa,
amin'ny volom-batosoa
ny raho-mitsitoko.

Ny tentin'ireo sary
voararin'ny mpahary
tsy hovoarefy an'hosodoko!

Nampidera ny hatsarany
tamin'ny tamin'ny fara-tarany
dia nandao - indray - ny tany
'lay mpanjakan'ny hazavany!!

Hjravs
--------
Rohy:
1670 1
Mpakafy: hjravs
Hevitra mandeha
andry 1000 ( 15/06/2015 09:13)
hafa iany ny henjana e..hainao mitsy le masoandro mody..ohatrany hita maso mintsy..efa misy ve ilay boky
hjravs ( 16/06/2015 04:38)
Misaotra e, mbola eo ampiketrehana mihitsy ka!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145