NIVO A! (hjravs)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NIVO A!

Nivo a!
eo amin'izay,
etsy mamikely indray,
avereno fanindroa,
dia lasa mamibe tokoa!!
Ny an-dry Neny efa hadalana,
f'angaha ny tia azo rarana,
ry zareo manavakavaka
nefa mba olona mivavaka.
Ny ahy'zay tiako
no a... hovadiako!
Tsy misy manana ny ampy, ange,
no mahatonga an-dry ho "mpanampy" e!

Nivo a!
Iny eny,
iny efa lasa iny i Neny!
Eo amin'izay indry hampiako,
aleo 'ty fako 'ty hariako,
hofafako koa ny lakozia,
dia indry manasa ireo lovia,
fa hataontsika fanombohany,
ny fandriana ity no atao voalohany...
Nivo a!
eo amin'izay e,
etsy mamikely indray,
ampio kely fanindroa
dia tena mamibe tokoa...

HJ Ravs (Fandalina tak. 12)
--------
Rohy:
1108 2
Mpakafy: hery - DotMG
Hevitra mandeha
andry 1000 ( 18/04/2015 07:41)
hihi!! ahatsiarovako an'lay bandy akamako ty tononkalo ty
hjravs ( 18/04/2015 07:43)
izy mintsy 'ngamba io e! fa mahay misafidy ny mpikarakara tokantrano lery a!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143