You are here: home > Vetso

NY FAMINDRAM-PONAO - hjravs

Azo vakiana?

NY FAMINDRAM-PONAO

Ny haratsiako sy halotoako,
ny otripo sy lolom-poko,
tsapako fa hadisoako;

Ny ebo sy fitiavan-tena,
fitiavam-bola sy harena,
ekeko, koa, fa fahalemena;

Ny rendrarendra, haditrako,
ny sitrapo sy filibako
ifonako fa fahotako!

Dada รด! Hody aho androany,
ity 'lay zanaka mpandany,
manenina amin'ny hadalany!!!

...Miangavy, mitalaho:
hombao ny famindram-ponao,
ny helokay re, avelao!

...F'izay irian'ny fonay,
enga anie, mba hifandray
amin'ny sitrakao ry Ray!!!
hjravs

Sokajy : Fiderana, tsara, Vavaka