Ny Hirantsika - hjravs
Azo vakiana?
NY HIRANTSIKA
Tendreo, tendreo lesy, zandry,
fa efa bobaka ny miandry
ny ritsoka gitaranao.
Be 'reo tsy tafandry mandry
te hihaino vazo vaovao.
Manko ny hirahirantsika
tsy hala-tahaka nadika
fa sombin-kafatra
amin'ny lafatr'
ireo mankafy ny fanamperana
hikolokolo
ny tontolon'
ireo tsy manan-kianteherana
hampitraka
ireo mizaka
ny havesaram-
pahoriana
hanome
ny silak'hehy
ireo niangaram-
pitsikiana
veleso ihany lesy zandry a!
aza asiana an-kiandriandry
satria ny hirahirantsika
dia kanto arindran'ny mozika
ho herin'aratra
hitaratra
ireo tsy ampy fahazavana
ho masoandro
mba hampandro
ireo tsy azon-kafanana
ho tohon-tantely
mamikely
amin'ity kapoaka
izay mangidy;
Dera laza,
ho sahaza
ireo 'zay tsy mitsoaka
ny adidy.
Tairo, zandry a, kitikitika
ho heno hatramin'ny naoty bitika
hampiainga ny fanahy
fa iny tena hain'ialahy
satria ny hirahirantsika
dia vazovazo akostika
hampanonofy
ny ati-sofin'
ireo 'zay teraka
fitia;
ho tositosy
handrotsirotsy
ireo 'zay reraky
ny dia;
ho tsianjery
hampahery
iretsy miaramila
kola*;
ho vitam-boka
amin'ny lokan'
ireo zaza mila
vola.
Veleso ihany lesy zandry a!
d'izaho hanakatra ny ambony
fa bobabobaka no miandry
ny hirahira tahak'itony!
hjravs
(25/09/2015)
*Resy
Mombamomba
Mpanoratra : hjravs
Nampiditra : hjravs
Daty : 03/10/2015
Mpamangy : 1184
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
RESAKA MISY VOLOMBAVAA F A P O T O R Y
AMIN'ILAY MISY, Sa AMIN'ILAY TSISY...
FITORIANA
LOKO TOKANA
14 febroary
KILASIMANDRY
TRANGAM-PIAINANA
Tantara
ALEOKO