OLOMBELONA AHO - hjravs
Azo vakiana?
OLOMBELONA AHO
Raha mbola nanonofy nitety ny habakabaka
sy tontolo miavaka
ny foko sy ny saiko
satria nohindrahindraiko
ilay "fanahy no olona",
ka niady aho sy nitolona
tamin'ny mahanofo...
Dia tonga ianao, nanova ny vato mba ho mofo...
ary sahy nihantsy
fa ny tsinay, ange, tsy mba vatsy.
Narantinao hivelatra 'reo mofo mba hihinanako
ka reko ny hanohanako...
...dia nanandrana aho, nitsako;
ary teo no nahatsapako
ny retsiky nofoko sy ny hafanan'ny rako
nentanin'ny herin'ny filako...
Hay nofo sy fanahy no natambatra ho izaho
vao olombelona aho!
hjravs
Tsy nofo ranofotsiny, tsy fanahy tsy misy fangarony; fa vatana sy fanahy ny olombelona. Ny ankoatr'izay dia na biby na anjely!
Mombamomba
Mpanoratra : hjravs
Nampiditra : hjravs
Daty : 23/12/2015
Mpamangy : 1132
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
RESAKA MISY VOLOMBAVAA F A P O T O R Y
AMIN'ILAY MISY, Sa AMIN'ILAY TSISY...
FITORIANA
LOKO TOKANA
14 febroary
KILASIMANDRY
TRANGAM-PIAINANA
Tantara
ALEOKO