RAVINTSEVA* (hjravs)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAVINTSEVA*
K'ahoana izy 'ty Dadajao a!
Naresaka tamin'ny vaovao
f'ilay mananasy 'zay vokatra tsara,
nafaranareo tamin'ny foara
dia mintentina ami-na dolara...
Nahavaka ny maso tsy zatra,
'lay izy naranty amin'ny tratra ;
Nampahatsiahy ahy ny paoman'ny Eva
sy ny nitafian-jareo ravintseva...
-------
"Tsy Rajao iry io na 'lay ankiray,
f'i Rajao any an-tananay,
sao misy tsy mahatanty sangy,
vao mandre mananasin'i Mboahangy
dia mitady 'zay mety hanangarana,
nefa tanim-boanjo ny anarana"**
--------
Efa lo 'zay ilay mananasy,
Hi!hi!hi! Tsy aleo navadika kaly ho an'i Gasy!!!
hjravs
* Ravintseva: Tsy takon-kenatra io (tsy henatra, manko, no fiantso ilay takonana) fa fiampangan-tenan'i Eva sy Adama teo imason'Andriamanitra (?);
i Adama no nadinin'Andriamanitra voalohany:
"- fa inona 'ty natao?!
- 'lay vehivavy nomenao ho namako no nitondra ahy tamin'ny sangako..." (aleo aho hiverina hamaky baiboly fa toa tsy 'zany le izy...)
** ["..."]: Lalàna mampihomehy, hanambazana mpanangan-tanana (20160701)
--------
Rohy:
Sokajy : Hatsikana - tantara
1543 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112