R'ILAY MPANAO HATSIKANA INY.... (hjravs)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
R'ILAY MPANAO HATSIKANA INY...

Tsy zakako aloha,
ilay fofom-bavan'ialahy tamin'iny
f'angaha moa, raha toa
traboina izy ireo dia hoe faniriany.
Fanteno ihany, zoky, ny teny avoaka
f'ialahy ange, olona fata-bahoaka e!

Ny kôzin'ialahy hoe "be fangataka lava
amin'ny fitondrana".
Fa ny kibony noana, ny tranony rava
angaha, moa tsy mendrika ny iantrana?!
ataon'izy ireny,
ho mpitondra teny
ange ny artista,
f'ialahy io, 'ngamba, mitady seza ho minisitra
na koa te ho lisitry
ny loholona,
Koa raha izany dia aza mitonona
ho mpitondra hafatry ny mpikarama,
mpitarika posy, sy ambany tanàna,
fa zary mandatsa
sy manao havako raha misy patsa...

Toetsaina miiba
'zany zoky Goth L...!

Ny haino aman-jery, natao hitaizana
fa tsy hanindrahindrana
fitondram-panjakana!!

Hj Ravs
--------
Rohy:
1787 2
Mpakafy: andry 1000 - Arofanina
Hevitra mandeha
andry 1000 ( 24/04/2015 09:11)
tena marina zany fa mila tsinjovina ny madinika e!!! tohano izy na ara-kevitra na ara-pitaovana, na arak'asa (fa andrianampoinimerina raha nisy nangataka tany aminy dia nomeny angady sy torohevitra ny olona, fa tsy kiana be manadala...fantatro ilay mpanao hatsikana niteny an'io tamin'ny fahitalavitra.
hjravs ( 24/04/2015 09:15)
Sady tamin'ilay fotoanan'ny rano miakatra sy tany mihotsaka mihitsy leiry no nikôzy an'io a, amin'izay tsy nanova endrika hoatr'ireny 'lay fanaony ireny. Mampalahelo fa ny fanjakana, ange, no ray aman-dreny hitarainana eto....
Arofanina ( 26/04/2015 14:48)
Nanala baraka tena izy niteniteny foana toy ireny e !
mpisotrtoaka ( 28/04/2015 12:27)
Tena mahay ise ! Tohizo fa arahanay e !
hjravs ( 29/04/2015 05:14)
misaotra anareo e!
Tojoninofy ( 04/06/2015 14:13)
za maka anareo e!
andry 1000 ( 05/06/2015 08:01)
efa hitany le mpanao hatsikana ve zao ty hafatra ho azy ity
tojoninofy ( 11/06/2015 07:00)
tena tsara ka
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139