Sombin-tantara (hjravs)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IZA AMINTSIKA, ...?!
Rehefa tafahodina im-polo tamin'ny masoandro ny tany, fa tsy mbola nitsaika ho zaza, tao am-bohoko, ny tosaky ny tsirinainan'ny fitiavana safomorona nilomanosantsika, nanomboka ny alin'ny andro nampakarana,... dia feo kendakendan'alahelo no nilazanao tamiko fa ny hanambadiana tsy ho namana ihany fa hiterahana indrindra! Satria efa noporofoin'i "Nivohary, sakaizako", taminao ny maha-vehivavy momba ahy, fa lehilahy manan-jo hanan-taranaka ianao!
"Rariny" ny vahaolana noraisinao, ary "ara-dalàna" ny tsy nandavako izany – Na mafy tamiko aza – fa tsy mendrika ny fitserana ahy, ny hisalovana ny hoavin'ny SOMBINIAINAO: "Fisarahana"!
Ekeko ny hagaganao raha nifanojo teto amin'ity lalantsaran'ny maternité iray ity isika, androany, satria tsy sahaza ny vehivavy tsy miteraka ny toerana toy itony.
Fa fahalalam-pomba no namaliako ny fahaliananao: «Ny ratram-pon’ny herintaonan'ny fisarahana tovan'ny farasisan'ny folo taonan'ny fizahan-toetra, ny nitarihan'ny vintana ahy ho any amin'ny famoizam-po, sy naneken'ny lahatra an'i "Haja", ho ilay mpanavotra, telo volana lasa izay. Koa amin-kafaliana lehibe no hameranako aminao ny tenin'ilay dokotera vao teo "Miretsika ato an-kiboko ilay ra niraisanay ary ho tonga olona izy afaka volana vitsy", izay manamporofo ny fahamarinan'ny fanapahan-kevitrao, raha tsy izany, dia nisora-tena ho "momba" mandrapahafaty ilay niaina ny tsy fahalalana...
– Mandrapihaona, Rija, dia mampamangy amin'ny vady aman-JANAKAO!»
- ?!?!
Tapitra
Hjravs (Ambatoroka 07062015)
--------
Rohy:
Sokajy : tantara - Fitiavana
6872 2
Mpakafy: Lancs - zoana15
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145