"TANIN'I GASY" (hjravs)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TANIN'I GASY!!!
Raha misy ny ampahany
mbola zanahany,
na mbola bodoiny
ny ankamaroan'
ireo tangoro-nosy manodidina antsika,
dia azo adika
ho mbola heveriny
asiany fameriny
ny fahaleovantena
tsy foiny nomena...
Fa io tany io harena...
Mety misy safira ao, na feno andramena
mety ahitana solika na volamena....
Raha tsy misy aza izany, mbola azo ambolena,
ny any an-dranomasina, koa mbola tena
haren-tsesehena...
Na fotsiny, aza, mba hambon'ny tena
fa mahaleo tena ity firenena!!!
...Dia manainga an'ialahy
mitovy amin'akahy,
'ndao hiara-dia
mba hanango-tsonia
ho fitakiana
ny hamerenana sy hampodiana
ireo nosintsika
f'isika tsy amboa ka hanao valalan'alika...
...Ny fitondram-panjakana
hatrizay mihanahana,
variana manenjika ny aradalàna
eto amin'ny tanàna,
ny vahiny mpihavy tsy hainy raràna,
sy toa baranahany...
Fa raha misy, ho'a, ny ampahany
mbola zanahany,
dia tsy mangarahara
hoe: "mahaleo tena i Madagasikara"!!!
hjravs
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po - Ady - Tanindrazana
1199 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113