TANIN'NY HADALANA - hjravs
Azo vakiana?
TANIN'NY HADALANA
(arak'ilay fehin-kevitra teny Ivato)
Tsy maintsy hiteny aho,
fa amin'izao,
tena atao
kilalao,
ny fiainam-pirenena,
ary tena,
mahonena,
fa hatramin'ireo
filoham-piangonana,
no indreo
mitonantonana,
mampiasa fika
politika,
Mahantra, ho'a, ny tanintsika e!...
fampihavanana no hiraina,
tatatataina,
sy dradraina
nefa olo-notsongaina,
no indreo ampitondraina,
fehezan-kevitra voizina,
ampifandrohizina
amin'ny ketrin-tseza hifaharana
sy lalàna hivalamparana,
izay tetehina
ho tenehina...
Hevitra kitoatoa
ny eto amintsika 'ty lehiroa,
indrindra moa,
ny ankamaroan'
ireo mpivory aza, toa
tsy mikatona avokoa
ny varavaran'atidoha*:
mitehaka tsy misy farany
f'izany 'ngamba no anjarany
mba ho saran'
ny vola tambin-kasasarany.
Izao no tena nahatongavana,
"handranitra ady fa tsy hihavana,"
..............
'ty ve ho tany tan-dalàna
sa ho tanin'hadalana?!!
...............
Aleo f'ho kendan'ny narapany
hitsipaka izy ireo vao ho tsapany
fa ny Malagasy, mantsy,
mafimafy hanaovan-dratsy,
manko, manan-kasin-tsara
sy manan-jina i Gasikara!
Ny tantara
eo hitsara!!
Hj Ravs (Bordeaux St Clair 04052015)
* Loha-malemy
Hevitra mandeha
vololona208 (15/05/2015 11:55:25)
Mombamomba
Mpanoratra : hjravs
Nampiditra : hjravs
Daty : 04/05/2015
Mpamangy : 1106
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
RESAKA MISY VOLOMBAVAA F A P O T O R Y
AMIN'ILAY MISY, Sa AMIN'ILAY TSISY...
FITORIANA
LOKO TOKANA
14 febroary
KILASIMANDRY
TRANGAM-PIAINANA
Tantara
ALEOKO