ALAHELO (IARANTSOA Mahefa)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Alahelo...?
Tsy mba hananako hambo
fa mandoaka ny aty fo ,
Toy ny ranotrambo
mamaky fefiloha.

Tena tsy hay intsony
fa mahalasam-borona,
Toy ny rano an’ony
manafotra ny morona.

Mibahana ao an-tsaina
tsy hay atao ahoana,
Toy ny zavona maraina
manarona ny havoana.

Alahelo…..
Toy ny erika ririnina
mamonto lohasaha,
tsy eto ianao fihinina
ka ory ny fanahy.


20 06 2014
--------
Rohy:
Sokajy : Embona - Alahelo - Fitiavana
187 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : IARANTSOA Mahefa
Nampiditra : iarantsoamahefa
Daty : 14/09/2023 10:11
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.017