HABAKA (IARANTSOA Mahefa)

Nantsain'i ikalamako
Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Faingana hikorira ry fo mpianjoria
soratra sy teny no hiaraka hilanto,
eto indray ny habaka iraisana fitia
habaka poeta sy habaky ny kanto.

Habaka hampiaina rindran-kilalao
tsy levom-pandrosoana sy ny rivotra malotony.
Habaka hampirevy ny foko sy ny anao
sepotry ny fiainana sy ny rotorotony.

Riba nentin-ndrazana tsy lefin' ny fotoana
sy tranga mba tsikaritra, ainga mba tsy nahy.
Ka asaiko ianao, tongava, hiara-hisavoana
hitety ny habakabaky ny fo sy ny fanahy...

5 Novambra 2015, 07:04
--------
Rohy:
221 1
Mpakafy: Djess
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : IARANTSOA Mahefa
Nampiditra : iarantsoamahefa
Daty : 14/09/2023 10:16
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0963