MANGA (IARANTSOA Mahefa)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Manga akia ny lanitra aty an-tany aty a,
fa ny ankoatra any no asa manahoana?
Ny lanitr' eny ambony no ambarako amin-dry
fa ny lanitry ny foko manjombon' eny foana.

Raha teto mantsy 'ndry fa tsy lasana nankany
dia mba nanararaotra ity andro mibaliaka.
Ny masoko eto izao mila hitomany
mandinika ny tendry voatonona ho antsika.

Ary iry masoandro iry toa isaky ny dila
dia mandrimbona ny foko hiara-maty aminy.
Mangidy izao ny fiainako, nanjary malok' ila
aiza ho aiza irony lasana nigohana ny maminy.

2015
--------
Rohy:
191 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : IARANTSOA Mahefa
Nampiditra : iarantsoamahefa
Daty : 14/09/2023 10:22
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139