You are here: home > Vetso

Fa ho anao - Ikalamako

Fa ho anao,
Ny aingan’ny fanahiko
Miangaly ho tononkalo
Ny foko safononoka
Totofanao fitiavana,
Na misafotofoto
Manahy anao ho lasana.

Fa ho anao,
Ny sosan’eritreritro
Mitady ho tononkira
Hifamihinantsika
Maraina vao mifoha,
Ka mandra-pirariana
Torimaso soa.

Fa ho anao,
Ny dian’ito peniko
Mandrafitra ho andalana
Ny voly any anatiko
Miredaka fitia,
Ilay fonao hany sampiko
Mamefy ahy tsy hania.



26 oktobra  2015


Sokajy : Fitiavana

Hametraka hevitra

Midira aloha