Babonao aho (Ilay FANAMBY)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
BABONAO AHO, Nibanjina anao aho, dia very an-dalana
Ny masoko nijanona, tsy nety nandositra
Ny tsikinao mamiratra no lasa hazavana
Ka ny foko manontolo tsy nahay niala intsony fa voasarika
Babonao aho, ry tiana, toy ny nofy mamelana
Ny fitempon’ny foko manonona anao tsy mitsahatra
Ny feonao malefaka no hira mamelombelona
Ka ny androko rehetra aminao no mifamatotra
Raha sendra ny alina ka mangina ny habakabaka
Ny eritreritro rehetra mankany aminao no mizotra
Fa ianao no kintana mameno ny lanitra manga
Ary izaho babonao tanteraka, tsy te-hisaraka na any ankoatra.
( Babonao aho, Ilay Faanmby, juin 20226)
--------
Rohy:
