Niandry foana aho. (Ilay FANAMBY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Niandry foana aho,

Taona maro lasa izay
Niandry teto foana aho
Nanantena hoavin'maray
Nefa aizim-pito aman-draho

Teto foana aho nandigny
Na ny voary aza nanome tsiny
Fa de inona loatra "ratanalahy"
Hoy izy ireo naneso ahy.

Teto ihany aho no nitazana
Zay mba anjara sahazana
Namoy fotoana maro nifanesy
Zay nasaiko anefa tsy mba nety

Teto foana aho no nitily
Zay mandalo anefa mivily
Tsy haiko zay antony
Fa tsy mba nisy na iray akory nanala ny satrony

Mbola niandry ihany aho fandrao..!
Hifanena amin'ny tsara kalitao
Zay tia mantsy hono mahandry
Endrey tokoa fa nisy ray nian-tsampy eny an-sandry..

(Ilay FANAMBY,Niandry foana,oct 2023)
--------
Rohy:
374 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ilay FANAMBY
Nampiditra : Ilay FANAMBY
Daty : 20/05/2025 19:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0112