Mafy izay (Ilay FANAMBY)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MAFY IZAY

Mafy izay lalana nalehako,
Tao anaty haizina nanalavitra ny hamehako,
Nangina irery, nikorontana ny saina,
Tena ady sy rivodoza aman’aina.

Mafy izay nialofako irery,
Tsy voafetra fa teny rehetra eny,
Teo ilay andro nahakosa-dranomaso,
Niezaka foana nefa mbola tsy niato.

Mafy izay ny mitraka rehefa lavo,
Saika zava-poana ilay kely efa azo,
Niezaka nitsiky, nefa ny tao anatiko ao,
Tsy nisy hazavana fa aloka sisa izao.

Mafy izay fa ny fo nitomany, ny saina sondriana,
Ny ao anaty anefa mba lavom-paniriana,
Ka na fotoana kely very dia vidiana lafo,
Hany ka nanalavitra ahy teny ilay torimaso.

Mafy izay, nandreraka ity saina,
Hazakazaka amam-javona isa-maraina,
Fa mbola eto hatrany mamaky lohasaha,
Mbola tsy tapitra mantsy ity asa aman-draharaha.

Mafy izay, eto am-pandravonana,
Ny mamy sy mangidy izay nidonana,
Tena hoe mafy raha ety ampisainana,
Sa ve izany no atao hoe “fiainana”?

Eny, mafy izany hoe te handresy,
Tontolo samihafa no efa voatety,
Any andro iray, hoy ianao fampivizanana,
Hanana fiainana ao anaty valin-kasasarana.

Mafy izay vao tonga ohatr’izao,
Ka anomezana fisaorana feno ho anao,
Izay nanampy, niaraka hatrany,
Tolorana fisaorana ombieny ombieny.

Mafy izay, tsy hadino ilay Nahary,
Na inona na inona sedra, Izy tsy mba nanary,
Koa makasitraka am-po lalina,
Ny ato anatiko lavitry ny nenina.


(Ilay FANAMBY, mafy izay, 24 Mai 2025)
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana - Aingam-panahy
423 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.741