Nandao ahy ianao ( Neny) (Ilay FANAMBY)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nandao Ahy Ianao,Nandao ahy ianao ry Neny, ka vaky ny ato anatiko,
Tsy misy intsony ny hafananao hanala ny sento sy ny alaheloko tsy tatiko.
Ny ranomasoko mikoriana mangina isan'alina,
Fa ny fahatsiarovana anao no mamelona ahy tsy ho lavo an-dalana.
Nandao ahy ianao ry Neny, nefa tsy nandao ity foko,
Fa ny fitia napetrakao mbola manosika ahy hiroso.
Isan'andro aho mibanjina ny lanitra manga mangina,
Manantena fa any ianao mitsiky amiko am-pitoniana.
Dia nandao ahy ianao, ka banga ny tontoloko rehetra,
Toy ny lanitra tsy misy masoandro, manjombona eny rehetra
Na lasanao aza ny lalana tsy hiverenana intsony,
Dia ny fitiavanao ry Neny hitoetra foana ka ampio aho hitony.
Mandrampihaona Neny Malala!
(Nandao ahy ianao, Ilay Fanamby)
--------
Rohy:
