mpanoratra (Ilay FANAMBY)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy Mpanoratra Aho Fahiny

Tsy mpanoratra aho fahiny,
Fa iny lalana iny,
No nampikalo sy nampivetso,
Nandraketako an-tsoratra ireo sento.

Tsy mba tato an-tsaiko izany hanoratra izany,
Fa ny lalana nodiaviko no niaviako tany,
Raha ny tiako dia ny mamaky sy makatelina,
Nefa tsy navelan’ny fiainana tsy handray penina.

Ary tsy mba nasiako fiheverana,
Fa eritreritra sendra mba niserana.

Tsy mba talentako izany manoratra izany,
Fa vokatry ny fihetseham-poko, angamba rehefa faly;
Indraindray kosa rehefa ory sy mitolona,
Dia ny penina no lasa namako sy fitolomana.

(Ilay FANAMBY, Mpanoratra, Oktobra 2023)
--------
Lien:
636 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0115