Ny HAFANY Tamiko (ILIMIM JIVISDI)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
... Enga anie ka tsy hisy diso, izao teneniko izao
F' efa mba natao tsianjery, vao aborako aminao
Fa: "misy olona any ho any, lasa saina eny ambony"
Tsy mba sahy milaza akory, anefa babonao ny fony

Raha misy ora izay, tsy hanembonany an-dry
Dia ny anaranao hatrany no voatonony satria
Mandoro mafy azy, 'lay fibanjinao ny tavany
te hamboraka f' indrisy, toa mihahotra ny vavany

Dia lasalasa amborona, rehefa anilanao
Dia variana ny mandinika ao anaty sainy ao
Ka rehefa mby ny tsiarony anao, manavatsava
Dia tsy handriny mihitsy, ny hitsena anao mirava

Koa izany, no hilazako mahatonga ahy hiloa-peo
Fa tena tiany ianao, koa raha sitrakao ekeo
Fa tena mitoloko, resinao ireo tontolony
Miandry io molotrao, mba hitohoka ny molony


Koa anio no hamborahako, izay ao anatiny ao
Hoy ny redon' ito fony manao hoe: |TIAKO IANAO !|


ILIMIM JIVISDI
--------
Rohy:
1044 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : ILIMIM JIVISDI
Nampiditra : ILIMIMJIVISDI
Daty : 24/01/2016 20:31
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102